Nodimandry i Clément, mpikambana ao amin’ny tarika Fandrama. Mahay an’i Clément Manifatra Jean avokoa ireo mpanakanto, ary samy naneho ny alahelony raha naheno ny fahafatesany, omaly. Any Nosy Be ny razana, hoy i Fandrama. Mpihira aman-taonany tao aminy ity mpanakanto nodimandry ity, ary efa nitety an’i Madagasikara sy firenena maro. “Tian’ny olon-drehetra izy. Be tsikitsiky sy mizara hafaliana hatrany”, hoy kosa i Tence Mena, izay nanome voninahitra an’i Clément.
Hahemotra koa ilay seho saika hataon’i Tence Mena, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena, ny 19 oktobra izao. Noho ny toe-draharaham-pirenena, tsy ho tontosa ato ho ato indray aloha ity seho tena be mpiandry ity, satria sambany teo amin’ny tantaran’i Tence Mena, izay hankalazana ny 15 taona an-tsehatra no hiakarany ao amin’ity toerana ity. Mbola mipetraka ho fanamby goavana hataony anefa ny hisedra izany, amin’ny fotoana manaraka.
Nizara hafatra ho an’ireo tanora mpanao fihetsiketsehana indray i Njakatiana. “Ry tanora malagasy, ataovy an-kalalahana sy am-pahamendrehana ny fitakiana fa izao no mba agatahiko: aza asiana teny ratsy, na hira na ny fomba fiteny, mba hahamendrika sy hahamasina ny fijoroana. Mahereza”, hoy ity mpanakanto ity, tao amin’ny pejiny ary naparitaka anaty tambajotran-tserasera.




