FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, fa tsy fahavalon’ny mpitandro filaminana ny vahoaka. « Hitondra ny hetahetam-bahoaka izahay matoa nofidian’izy ireo. Atsaharo ny herisetra ary aza manavakavaka hanaovana herisetra. Sokafy ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ahafahana mifampiresaka », hoy izy.
Naneho ny heviny ny mpanakanto Bodo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nambarany fa miaraka amin’ny vahoaka hiaraka hitaky ny zo fototra maha olom-pirenena izy ireo. Nangatahiny ny hisian’ny toerana ahafahana maneho hevitra, tsy misy herisetra. « Miaraka amin’ny vahoaka izahay ary mahafantatra ny maharary sy mitaky ny zony », hoy ihany izy.
Nametraka fepetra tokana ny eo anivon’ny fanoherana, raha ny nambaran’ny depiote «Del kely», tao amin’ny fandaharana «Miara-manonja -MM», omaly. Anisan’izany ny hanokafana ny etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey na koa Ambohijatovo aloha, hihainoana ny hetaheta sy ny fitakian’ny vahoaka. «Azo hirosoana ny dingana manaraka ho amin’ny fifanatonana», hoy izy.
Hentitra ireo mpanolotsain’ny Tanàna, CUA. « Tsy vahaolana ny fanendrena praiminisitra », hoy i Baba sy Rafaralahy Lily ary Raharinirina Clemence. Nanterin’izy ireo fa tsy mampiova ny tolona izany. « Tokony ho mailo isika fa mitohy ny paikadin’ny filoha, hampivaky sy hanalefaka ny hery mivondrona mitaky fanovana tena izy eto », hoy izy ireo.

Partager sur: