Hamerina ny filaminam-bahoaka : Minisitra telo, voatendry halina

Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana manomboka izao ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Porofon’izany, 24 ora taorian’ny nanendrena ny Praiminisitra, tafapetraka ireo minisitra lehiben’ny tafika, ny zandary ary ny polisy. Sambany vehivavy no miandraikitra ity farany.

Voatendry ho minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa. Andiany faha-18 tao amin’ny Acmil. Efa niofana tamin’ny sekoly ambony momba ny ady. Kaomandin’ny Semipi. Efa lehiben’ny tale jeneralin’ny rafitry ny fiarovana ary lehiben’ny etamazaoron’ny tafika, farany teo
Minisitra vehivavy voalohany hisahana ny Filaminam-bahoaka kosa, ny « Contro­leur général de la police », Randriambelo Mandim­bi­ni­aina. Manampahaizana mom­ba ny lalàna ary nahazo diplaoma tamin’ireo foibe fa­nofanana ho polisim-pirenena. Efa tale kabinetran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary sekretra jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka farany teo.
Minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenana kosa ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Efa nisahana izany andraikitra izany izy ary mbola izao tafaverina amin’ny toerany izao ihany.

Tsy handefitra amin’ny fanakorontanana

Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fampahafantarana azy ireo fa maika ny famerenana haingana ny filaminam-bahoaka sy famerenana amin’ny laonina ny fiainam-pirenena. Eo koa ny fametrahana ny tany tan-dalàna. «Hiasa haingana isika hanarenana ny simba sy ny toekarena. Tsy hisy fampandrosoana raha hikorontana sady tsy ilaina izany no tsy hitondra soa fa hampidi-kizo ny firenena», hoy izy. Noho izany, hodinihina ny hanafoanana ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina « Couvre -feu ». Notsindriny ary anisan’ny iraka hotanterahan’ireto tomponandraikitra vao voatendry ireo ny fandriampahalemana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. « Aoka tsy handefitra amin’ny korontana sy ny tsy fanarahan-dalàna », hoy izy.
Miisa telo aloha izany izao ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta voatendry. Mbola manohy ny fampandehanan-draharaha kosa ireo ministra sasany.

Nidina ifotony

Nidina ifotony, teny Ampan­­gabe, omaly maraina ny filo­han’ny Repoblika Rajoelina Andry. Nizaha sy nanolotra ny asa natao ho famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Teti­kasa izay ha­maha amin’ny ampahany lehibe ny olan’ny delestazy. Ha­mokatra angovo hatrany amin’ny 400 Kw izany. Tsy ho tapatapaka intsony na mety hiteraka fanafintohinana amin’ny mpampiasa herinaratra. “Haiko ny olana lalovantsika. Haiko ny fahasorenana aterak’izany ka toky no homeko fa tsy maintsy mamaha ny filan’ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana. Vahaolana maika no ilaina ka tsy maintsy mametraka tetikasa maika tahaka izao isika. Araka ny nambarako dia ma­nova fomba fiasa isika. Tsy maintsy hirosoana izany”, hoy ny filoham-pirenena. Anisan’ ny hojerena manokana koa ny mahakasika ny famokarana amin’ny alalan’ireo “groupes”, lehibe izay nafarana tany Afri­ka Atsimo. Efa an-dalana mampiakatra azy ireo aty an-drenivohitra ny minisiteran’ny Angovo sy ny eo anivon’ny asa vaventy. Ity farany izay ma­nampy amin’ny fa­metrahana tetezana sy manajary ny lalana ho afaka ny ha­hazaka ireo fi­taovana goavambe. Ha­petraka eny Ambo­hi­manam­bola izany hanampy ny fitaovana efa antitra sy tsy ma­havaly ny filan’ny vahoaka ma­lagasy.

Synèse R.

Partager sur: