Madagasikara: Ny fototra mihitsy no mikorontana

Samy manana ny tantarany ny firenena tsirairay. Tsy navelan’ny vahiny hahalala ny azy ny Malagasy. Maro ny fiantraikan’io tranga io eo amin’ny fiarahamonina hatramin’izay ka mandraka ankehitriny.

Fandaharam-pianarana, tsy mandeha amin’ny laoniny. Fahafantarana an’i Madagasikara, tsy mitombina araka ny tokony ho izy. Tantaran’ity Nosy ity sy ny mponina ao aminy, zara raha misy ny ambilombazam-pahalalana hain’ny taranaka aty aoriana, sns. Vokatr’ireny tranga rehetra ireny, ny fototra mi­hitsy no mikorontana. Tra­tran’ izany avokoa ny maha olona ny tsirairay (fo, saina, vatana, fanahy) sy ny fiarahamonin’ny Malagasy iray ma­nontolo.
Vitsy dia vitsy sisa ny Ma­lagasy afaka mamaly ny « iza ianao? ». « Ny tantaran-drazanao? ». « Inona avy ireo fady anareo (sakafo, fadin-tany, fadim-pianakaviana, fadin-drazana…?». « Nahoana no tsy mandevina andro alakamisy ny Malaga­sy? ». « Inona izany mitsipa-doha laka-nitana izany? ». « Aleo vaky vilany mianefitra toy izay maty olo-mazoto »… Fototra, saingy, samy tsy misy fantatry ny Malagasy miaina ankehitriny sady heveriny ho zava-maivana.
Raha mbola tsy manana fahalalana fototra momba azy ny Malagasy, ho sarotra ny hananana taranaka vanona, tsy handroso araka ny tokony ho izy i Madagasikara. Tsy hanana anjara eo amin’ny taniny ny Malagasy fa ho lasan’ny vahiny hatramin’izay bitika indrindra. Hiova ka hanara-davahana fotsiny amin’izay hitondran’ny hafa azy. Tsy ho afaka hijoro amin’ny maha izy azy satria tsy mahafantatra ny momba azy.
Ny fanatsara ny fanabeazana (ankohonana, fianakaviana, fiarahamonina, toeram-piasana…) sy ny rafi-pampianarana (ambaratonga fototra hatrany amin’ny ambaratonga ambony) no zotra tokana lehibe sy saro-pady hanarenana ny lesoka. Tsy vita an-tefy maika izany fa mila fahasahiana mandray andraikitra. Mita­ky fitiavana ny fototra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: