Tonton Pà: Hisy seho ho fanampiana azy

Mbola any France i Tonton Pà… Efa nanao fanambarana ny tarika Rebika, fa tojo tsy fahasalamana ka mitsabo tena no antony nijanonany sy tsy nanohizany ny fiarahana tamin’ny tarika taty an-tanindrazana. Fantatra kosa fa efa metimety, ary efa vonona ny hiaka-tsehatra ity mpanakanto ity. Hisy ny seho takariva izay iarahany manatontosa amin’ny tarika Baobaba, ny sabotsy 18 oktobra izao, ao amin’ny Lapa Event any Paris. «Ha­tokanay hanampiana an’i Tonton Pà ny vola azo amin’io seho io», hoy ny nambaran’i Haingo Rabeson, mpitarika ny Baobaba.
«Takariva hamerenana ireo vazon’ny tanàna izay noforoniko hatramin’izay ity seho ity. Hiarahana mahatsiarotsiaro ireo fotoana nahafinaritra tany Madagasikara… Hisaorana ny tarika Baobaba izay niezaka nanampy ahy tao anaty tsy fahasalamana. Tena tsy salama aho nisy fotoana…Hery lehibe ho ahy ny fanotronan’ireo mpankafy», hoy ny nambaran’i Tonton Pà. Hitohy ny sabotsy 18 oktobra ity fiarahana ity, any Suisse.

Zo ny Aina

Partager sur: