Nahafinaritra sy nahavelombolo ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy mila mpisolelaka sy mpanasoaso be fahatany ny tenany. Mazava ny filazany fa mahay maka lesona sy manitsy ny diany izy. Nampangainy rahateo fa noho ireny mpanolo-bato mafana, ankolaka, ireny no nahatonga ny olan’ny firenena ankehitriny. Mitady olona sahy sy afaka mamaky bantsilana izy.
Eo anefa ny indrokelin’ny mpandrafitra. Mbola tsy niova ny fomba fanao. Nanomboka tamin’ny fisafidianana izay hanatrika ny dinika, hatrany amin’ny fomba nifantenana ny mpametra-panontaniana dia niverina tamin’ny fomba mamohehatra fahiny. Toa mitady tsy hahay maka lesona indray, fa miverin-dalana. Asa, noho ireto mpanolotsaina vandavandana.
Maro ny olona maniry ny hitafa sy hizara amin’ny filoha ny maharary azy. Herijika iray lehibe iny omaly iny. Sehatra nahafahana nifampizara izay any anatin’ny tsirairay. Indrisy anefa, voafetran’ny fotoana sy ny lamina anatiny. Tsy ampy ilay ora telo nifanomezana. Maro ny tsy afa-naneho hevitra. Betsaka no voatampim-bava tsy satry. Toa mbola mandeha ila hatrany ny famahana olona.
Mbola mipetraka foana ny mpanoha-randrana. Misy mbola mihevitra fa fananany manokana ilay filohan’ny Repoblika. Toa takonana hatrany ny fahasahiany hanao zavatra. Mbola misisika sy te ho to-teny ny tandapa sasany. Manao ny fomba rehetra ampandrora mintsilany ilay fitondram-panjakana mijoro. Loza mitatao anefa izany.
Sintonina ihany ny lakolosy ho an’ilay mpitondra mba tsy hosodokan’ny mpamadika anatiny. Moramora kokoa ho an’ny ao anatiny ny manimba sy mamono, noho ny olona ety ivelany. Tsy ny fahavalo ivelan’ny trano no sarotra iadiavana fa ilay mpandefona ivoho na ny mpamahan-dalitra te ho deraina. Rehefa tsy mandeha ny fanadiovana ireny dia naman’ny mamita-tena ihany!
r.r




