Fifidianana loholona: Mihemotra ny fametrahana ny firotsahan-kofidina

“Ny vanin’androm-pifidianana izay didim-panjakana no mamaritra azy ho amin’ny 11 desambra, tsy manan-kambara momba an’izay ny Ceni”. Io ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fifidianana loholona. Ny vanin’andro hanombohan’ny fanaterana ny antontan-taratasy firotsaha-kofidina no heverin-dry zareo ananany fahefana ny mametraka ny lamina momba izany. Rehefa tsy tanteraka nanomboka omaly izany, rariny sy hitsiny ny mampahafantatra ny besinimaro fa mihemotra ny andro fanaterana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. To­kony ho nanomboka omaly 9 oktobra izany. Nefa noho ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, tsy tratra.
Heverin’ny eo anivon’ny ny Ceni fa ao anatin’ny fikarakarana sy fanomanana fifidianana, azon-dry zareo atao ny mijery ny fomba hahazoana mampahomby ny fikarakarana sy fanatanterahana ny fifidianana. Irariana ny hisian’ny fivahan’ny olana mitranga eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Amin’izay fotoana izay, hiverina amin’ny laoniny avokoa izay tranga mety ho voatohintohina. Izao firosoana amin’ny dingana fandaminana ankopobeny izao, tsy tokony haharitra. Izay no hahazoana ma­nohy ny dingana rehetra amin’ ny fanatanterahana ny fifidianana. Malalaka ihany ny fe-potoana nomena ny mpifaninana amin’ny fametrahana antontan-taratasy. Azo tohizana izay dingana izay.
Mety hihemotra koa ve ny fotoan’ny fampielezan-kevitra izay amin’ny 9 novambra ha­tramin’ny 9 desambra? Ho hita eo… Toy izany ny androm- pifidianana amin’ny 11 de­sambra. Miandry ny governemanta vaovao ny raharaha.

R. Nd.

Partager sur: