Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo : « Miantso ny mpiray tanindrazana ho tony »

« Manainga antsika Foloalindahy rehetra mba tsy ho voazarazara manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra koa mba ho tony », hoy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Dera­masinjaka Manantsoa Rakotoarivelo.

Tontosa, omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloa­lindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitan­tanana teo amin’ny MFA teo aloha, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny MFA vao nandray ny asany, ny Jly Dera­masinjaka Manantsoa Rako­toarivelo. Nanao antso avo ho an’ny Foloalindahy ny MFA Deramasinjaka Manantsoa amin’ny tamberin’adidy ho an’ny vahoaka mpiray tanindrazana. « Avy amin’ny va­ho­aka ny Foloalindahy ka mijoro miaro ny vahoaka sy ny fananany manoloana ireo ambana marolafy an-drenivohitra, in­drindra ny ambanivohitra. Noho izany, miantso ny mpiray ta­nindrazana rehetra mba ho tony », hoy hatrany ity manam­boninahitra jeneraly ity. Noha­mafisiny fa mpitandro filaminana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana, hiara-hiasa tanteraka amin’ny Hery fiarovana sy filaminana, izay iray tsy mivaky.

Manaja ny lalàna…

Niantso ny miaramila rehetra koa ny MFA mba ho tony mandritra izao fotoan-tsarotra izao ka tsy ho voazarazaran’ ny hevitra samihafa fa iray ihany ny Foloalindahy Mala­gasy. Manaja ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana misy eo anivon’ny Foloalindahy. Nankasitraka ny ezaka sy ny zava-bitan’ny minisitra teo aloha izy sady nanamafy ha­trany ny fanohizana ireo asa fampandrosoana ny Foloalin­dahy Malagasy. Miainga amin’ ny politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny MFA. Mbola nanamafy hatrany ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo mpiara-miasa aminy ny MFA vaovao mba hanohizana ny asa napetraky ny MFA teo aloha. Maika ny hamerenana ny fandriampahalemana, in­drindra amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, araka ny nambarany.
Marihina fa tonga nanatrika ny fotoana, omaly, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina, sy ny minisitra Delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoton­dra­zaka Andriantsarafara Andria­mitovy, niaraka tamin’ireo tom­ponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloa­lindahy.

Jean Claude

Partager sur: