TARATRY ny KANTO

Miantso ireo mpanakanto namany i Nate Tex. « Ho an’ireo zoky, raiamandreny, zandry, mpiara-miasa eo amin’ny sehatry ny hira, dihy, sary, asa soratra, sns, fotoana re izao hitenenana. Be mpanaraka ianareo ary maro mpihaino rehefa miteny. Mitenena », hoy ny antso nataon’ity mpanakanto ity. Anisan’ireo tazana foana niara-dia tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana i Nate Tex, hatramin’ny nanombohan’izany.

Hatao ana habaka ilay fampirantiana « Va­hoaka malagasy ». Noho ny toe-draharaham-pirenena, alefa amin’ireo tranokalan’ny ADMC Craam, manomboka anio, ity fampirantiana ny sanganasan’i Dina Rabe­arivelo ity. Maneho ny andavanandron’ny Mala­gasy, aingampanahy avy amin’ny fitetezam-paritra nataony izany, teto Antana­na­rivo, Ampefy, Toliara, Ana­lalava, Foulpointe, sns. Nijery, niaina, nihaino, naka sary ary namadika izany ho kanto mitondra hafatra izy. Mbola hisy ny fanehoana izany mivantana, aoriana kely.

Afaka mandray anjara amin’ny « Résidence Darkoum » any Maroc ireo Malagasy mpanakanto. Natao ho an’ireo mpanakanto misehatra eo amina karazan-kanto marolafy izany, rehefa miteny sy mampiasa ny teny frantsay. Manana hatramin’ny 30 oktobra ireo mpanakanto liana handray anjara amin’ny fiofanana hamoahana kanto iarahana, hisoratana anarana ao amin’ny tranokalan’ny « Institut Français » any Maroc.

Partager sur: