Meltine Rasoloarisoa no tena anarany. Mely, Mamamely, Totoa Mely, samy anarana fiantson’ireo akaiky azy avokoa izany. Nodimandry ny alakamisy teo ity mpanakanto ity, araka ny efa notaterina omaly. 58 taona i Meltine izao nandao ny tany izao, rehefa avy nolazoin’ny aretim-po fotoana ela, raha ny nambaran’ ny fianakaviana. Mpanakanto nandova sy namelo-maso ny hiragasy, satria zanaka vavin-dRamilison Besigara izy. Nilomano mbola kely tao anatin’ny hiragasy ny fianakaviany iray manontolo, ary tsy diso anjara tamin’izany i Meltine. Mpihira, nanana ilay feo misongadina amin’ny maro izay izy. Mpandihy ihany koa, mahafehy ny dihy gasy ary mampiaina ny sehatra hatrany. Tsikatr’i Rossy ny talentany, ka nentiny an-tsehatra toa ireo mpikambana hafa ao amin’ny tarika Ramilison ihany koa i Meltine. Maro ireo mahatsiaro azy ery amin’ ny sisiny, manao feo lafika.
Ankoatra ny maha mpanakanto azy, olon’ny fiarahamonina ihany koa i Meltine. « Vehivavy tia manampy olona be izy io. Betsaka ny zaza notaizany satria ny zananivavy tokana. Tia hanihany be koa izy », hoy ny fitantaran’ny zanany. Tsy nitaiza fotsiny fa anisan’ireo nampita ny soatoavina entin’ny hiragasy ho an’ireo mpandimby koa ity mpanakanto ity. Rariny raha izy no najoro ho mpandrindra ny tarika Ramilison Besigara, sady miandraikitra ny fampitaovana sy ny fifanarahana rehetra. Nentiny tao amin’ny tarika Rossy izany, satria niandraikitra ihany koa ireo akanjo fisehatra i Meltine.
Andrasana eny amin’ny tranony eny Itaosy ny nofo mangatsiakany. Hotontosaina ao amin’ny fasam-pianakaviany ao Mandrosoa Antongona kosa ny fandevenana, ny alahady 12 oktobra izao. Mialoha izany, hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny EKAR Mb Thérese Isotry.
Zo ny Aina




