Aleo aloha asiana famakafakana kely ny mahakasika ity resaka asa fanaovan-gazety ity, anio. Maro ny tranga izay nahabe resaka. Niteraka ady tamin’ny Holafitra na sehatra hafa izany. Nahatonga ratra sy fifanakianana samihafa, andaniny. Mba nampisongadina ihany koa anefa, ankilany. Taiza no nisy mpanao gazety niaka-dapa indroa miantaona izany anatin’ny herinandro. Manana ny toerany izany no azo amehezana azy.
Eo anefa no ilana fandinihana lalina sy fahaizana maka ny anjara manandrify. Tsy natao hizahozahoana ny fananana ilay karatra maha mpanao gazety. Tsy midika ho fahafahana manao izay tian-katao izany. Tsy hoenti-manindry na ireharehana ihany koa, na hiheverana fa tsy maty manota. Ny an’ny sasany dia tena mihevitra fa ambonin’ny lalàna mihitsy. Mizahozaho an-kitsirano.
Tiana hitondrana tsindrim-peo, anio, ny fomba fiasa sy ny fanajana ny etika ary ny fitondran-tena maha matihanina. Tsy maintsy tandrovana toy ny anakandriamaso izany raha tiana ny hanomezan’ny olona hasina ny tena. Manahirana ny hanontsana ny mpanao gazety izay tsy mahalala na tsy mahay manavaka ny asany amin’ny firehana na fironany manokana.
Tsy maintsy ampahatsiahivina, anio, ihany koa ny mahakasika ny firaisankina. Mandreraka sady mahatonga saina ny fifanebahana eny an-kianja. Misy ireo tsy menatra ny milaza ho mpomba an’izatsy ka tsy tia an’izaroa. Mitohy ny fisaraham-bazana mankany amin’ny samy maka ho azy ka mampanahy ny tondro molotra mety ahafaty. Efa iraha-mahalala fa mivadika ho fankahalana rahateo ny baikom-pitolomana eny ifotony, ankehitriny.
r.r




