Filoha Rajoelina Andry: « Tsy vahaolana ny korontana »

Nampita hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly sy afakomaly.

«Tsy vahaolana ny korontana tiana ha­petraka eto amin’ny firenena », hoy izy. Nam­pa­nan­tena ny tenany fa hanao ny ezaka sy ny fomba rehetra hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madaga­sikara ity mandra-pahatapitry ny fe-po­toam-piasany. Rai­siko ho ira­ka manokana, fanamby goavana ary lova hapetraka ho an’ny vahoaka malagasy ny tsy fisian’ny delestage intsony, araka ny nambarany. « Tsy main­tsy hovitako izany ary tsy maintsy hotratrantsika », hoy izy.
Nambarany koa fa efa tonga eny Vontovorona ireo milina lehibe hamokarana herinaratra, araka ny efa nampanantenainy tamin’ny fihaonana amin’ireo tanora sy ny hery velona ny alarobia teo, teny Iavolona. Anisan’ny hisitraka izany koa ny eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny any amin’ny faritra mijaly herinaratra.

Fotoan’ny fanovana izao
Ankoatra izany, natsidiny fa efa nanomboka ihany koa ny fijerena ny fametrahana ireo fantsakana sy lavadrano mba hisitrahan’ireo mpianatra rano madio sy ampy ho azy ireo.
Manoloana izany rehetra izany, niantso manokana ireo mpianatry ny polytéchnique Vontovorona ny tenany. « Ndao isika hifanolo-tanana ho amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo. Tena ilaina amin’izany ireo traikefa sy fahaizana norantovinareo », hoy ihany izy. Nanentana ny rehetra koa ny filohan’ny Repoblika mba hiaraka hanarina izao toe-javamisy eto amin’ny firenena izao. Nanteriny fa tsy afaka ny hitazam-potsiny ny zava-misy isika. Miasa mitondra vahaolana haingana sy azo tsapain-tanana. Fo­toan’ny fanovana izao, hiasana araka ny tena filan’ny vahoaka malagasy, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: