Lalatiana: Anio ny seho, atsy La Réunion

Hafaliana ho an’ireo mpankafy azy ao La Réunion. Efa nitaintaina izy ireo raha naheno ny fanafoanana ny seho tokony hataon’i Lalatiana eto Madagasikara. Nisento kosa rehefa tonga any an-toerana ity mpanakanto ity, hanatontosa ilay seho, anio, ao amin’ny Amphithéatre Moufia, ao Saint Denis. Miara-dalana amin’i Lalatiana, any an-toerana, i Rija Randrianivosoa, mpitendry gitarany nandritra ny taona maro. “Manokana ity seho ity, satria sambany na izaho na i Rija no hisehatra eto La Réunion. Mahafaly anay ny mahatsapa sahady ny fandraisan’ireo mpankafy, izay Malagasy rahateo ny ankamaroany”, hoy i Lalatiana, nandritra ny “video” nataony, omaly.
Ho vahinin’izy mianadahy mandritra ny seho i Gwendoline Absalon. “Mpanakanto anisan’ny hoavin’ny maloya izy, izay efa niara-niasa tamiko tany France”, hoy i Rija Randria­nivosoa. Mialoha ny fampisehoana, hisy ny fandefasana ilay horonantsary “Nosy Hira: Madagascar, Ile chant”.
Miandry amin’ny fotoana manaraka kosa ny mpankafy eto Madagasikara na dia maro aza ny nanantena ilay seho tokony ho amin’ny herinandro.

Zo ny Aina

Partager sur: