Noho ny zava-misy ankehitriny: Nahemotra ny fampisehoan’i Narisoa

Tsy voatazona ny andro tokony hanaovan’i Narisoa fampisehoana lehibe ao amin’ny CCEsca Antanimena. Raha ny 2 novambra izao no nampahafantarina ny fisian’ny seho. « Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, ahemotra amin’ny fotoana maha mety azy ny hanatanterahina ny fampisehoana. Holazaina amin’ny fotoana manaraka izany », hoy i Ndre­ma, nampita ny vaovao ho an’ny mpanao gazety, omaly. Marihina fa hanotrona ity mpanakanto ity amin’io fampisehoana io i Kiki (Ilay fisarahantsika), i Faniry Raelison, i Nini Andrianony (Nini Kiaka), i Noely Ny Sakelidalana.
Tsiahivina fa mpanakanto feno (mpamoron-kira, mpitendry zavamaneno, mpihira…), manana feo manga sy miangola fatratra i Narisoa. Fantatra sy tsy afa-misaraka amin’ny lanonana samihafa ireo hira kaloiny. Anisan’ireny ny « Fetinao an­droa­ny », « Fa­hatsiarovana », « Ny hirako »… Havanana rahateo amin’ny fanafanana lanonana ity mpanakanto ity noho ireo traikefa matanjaka ananany. Tao ny fiarahana tamin’ny ôrkesitra Diap Capsat sy tao amin’ny tarika Les Frères Arthur, tany ho any amin’ny taona 1970 – 1980…
Mampiavaka an’i Narisoa ihany koa ny fahaizana mifehy ny feo hifanaraka tanteraka amin’ny ambaran’ny tononkira. Ny fandrindrana azy ireo amin’ny zavamaneno manaraka azy. Ny fitondrana zava-baovao hatrany ao anatin’izany rehetra izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: