Am-bavam-pihaonana

 

Rava ny firenena miady an-trano? Tsy misy resy, tsy misy mpandresy… Sanatria, samy potika an-toerana. Am-bavam-pihaonana? Mbola misy ny azo atao, fa tsy manary toky. Amin’izany, misy hatrany ny mampiaka-peo fa tsy misy fihaonana na fifampidinihana azo atao na mety ho tanteraka amin’izao, raha tsy misy ny fandriampahalemana sy fitoniana. Aiza ho aiza? Samy tomponandraikitra amin’izay lazainy sy ataony ny tsirairay. Sarotra sy mafy ny fifanatonana sy fifampiresahana, raha tsy misy ny fandeferana sy fanetren-tena ary fiheverana ny hafa: na momba ny tena na tsia, indrindra ny vahoaka. Amin’izao, saika tsy hita be ihany na tsy mazava amin’ny rehetra ny hoe: iza no manao inona, aiza ary mankaiza? Indrindra izay ho mety ho tohiny sy hiafaran’ny raharaha. Korontana… Misy ny miasa mangina sy an-katakonana? Saingy lehibe sy maika ary tsy maintsy imasoana ny famahana olana. Mila fanapahan-kevitra, fanaovana dingana, famitana izany hatramin’ny farany…
Tsy inona izay farany izay fa filaminana, fifandraisan-tanana… Mandra-pahoviana? Sanatria, hiandry ny hafa handamina ny raharahan-tokantranon’ny tena indray ve? Tsy inona fa fitsabahana, fanoroana lalana, fibaikoana, fanerena… Mbola misy hatrany ny minia mikimpy ny amin’izany? Na ahoana na ahoana, politika ny raharaha: arakaraka ny fifandanjan-kery, ny antony iadiana, ny lazon’ady… Nefa ny tsy fahaizan’ny eto an-toerana mifandamina no mahatonga ny hafa mitsabaka. Tombontsoa no manetsika sy manesika ny amn’izany? Samy Malagasy, eo ny hoe: ny heloka ibabohana mody ho rariny, ny rariny itompoana mody ho heloka. Adin’ombolahin’ny mpianakavy: ny mandresy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina. Nefa tsy misy resy sy mpandresy, raha miady an-trano. Fandinihan-tena izao fa am-bavam-pihaonana…

R. Nd.

Partager sur: