Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika ny mpitari-tolon’ny Gen Z, nandritra ny fandraisam-pitenenany teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly. Hanomboka hitokona isan’andro eny an-toerana izy ireo ary hitety ny minisitera rehetra tsy hisy hanohy ny asa andavanandro intsony.
Nilanja sorabaventy teny Ankorondrano sy ny manodidina ireo tanora mpomba ny fitondram-panjakana, ny sabotsy 11 septambra teo. Naneho hatrany ny fanohanany ny fitondrana izy ireo. “Tsy mila korontana”, hoy izy ireo tamin’ny alalan’ny sorabaventy.
Nanamafy ny olona akaiky ny filoha Andry Rajoelina fa mbola eto an-toerana hatrany ny filoham-pirenena. Tsaho, araka izany, ny filazana fa nandositra nivoaka an’i Madagasikara io filoha am-perinasa io.
Nanome fe-potoana 48 ora ho an’ny solombavambahoaka hanesorana ny filoha am-perinasa ny mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, tonga teny amin’ny Kianja 13 mey, omaly. Hiroso amin’ny dingana mafimafy izy ireo aorian’io fe-potoana io raha toa ka tsy mivaly ny fangatahany.




