Misafotofoto ny toe-draharaha! Tafapetraka ny fitondrana vaovao anatin’ny fibaikoana ny Miaramila. Mbola am-perinasa ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Efa tazana eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny ankamaroan’ny mpanao politika, mpanohitra. Hitohy anio ny fitokonana faobe. Miara-dalana ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana.
Nitsimbadika tanteraka ny fizotry ny tantara, afakomaly! Nidina an-dalambe, nijoro ho mpanohana ny hetsi-bahoaka ny Tafika Malagasy. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny teo anivon’ny Corps autonome des personnels et des services administratifs et techniques na Capsat. Tao anatin’ny 24 ora, tafatsangana ny fibaikoana vaovao eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena. Napetrak’ireo miaramila nisafidy ny fidinana an-dalambe ho lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika ny jeneraly Pikulas Demosthène. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy, omaly maraina. Ora vitsy taorian’ny fanendrena azy teny an-kianja dia notontosaina avy hatrany ny fifamindram-pahefana. Nandray ny toerany avy hatrany teny Andohalo izy. Tsiahivina fa toerana banga rahateo ny fibaikoana ny Tafika taorian’ny naha-voatendry ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo ho minisitry ny Foloalindahy Malagasy.
Fotoana vitsy taorian’izay, napetraka ho kaomandy ambonin’ny Zandarimaria kosa ny jeneraly Mamelison Mbina Nonos. Miainga avy eny amin’ny tobin’ny Hery vonjitaitra eny Fort Duschesne ny fibaikoana rehetra, araka ny fampitam-baovao. Hotanterahina eny amin’ny Toby Ratsimandrava, anio, ny fifamindram-pahefana. Etsy ankilan’izany rehetra izany, naongan’ny mpiandry fonja koa ny tale jeneralin’izy ireo. Asa izay hiafarany?
Tsy manongam-panjakana
Raha tsiahivina ny fandehan-draharaha, ny sabotsy maraina, tokony ho misandratra andro, nanao fanambarana ny kolonely Randrianirina Michael sy ny mpanara-dia azy. Nambaran’izy ireo ny fanohanany ny hetsi-bahoaka ka vonona ny hidina an-dalambe hiaro ny mpanao fihetsiketsehana izy ireo. Horakoraka tsy nisy tahaka izany no nandraisan’ny mponina teny an-toerana sy ny manodidina izany. Nampiakatra ny hafanam-pon’ny mpidina an-dalambe izay efa zara fa nahazo olona izany ny zoma lasa teo. Hatramin’ny fiangonana aza no namelona ny lakolosy namoaka ny isan-tokantrano. Vetivety dia tafapetraka ny sakan-dalana nataon’ny fokonolona ho fiarovana ny toby. Nisy ny fisamborana izay olona nampiahiahy na heverina ho mpitsikilo. Nisy lehilahy iray voalaza fa zandary nanao fanamiana sivily no voasambotra. Raha fehezina ny zava-niseho, ny tantara tamin’ny taona 2009 no miverina.
Ny maha samihafa azy dia tsy misy ny fanonganam-panjakana. Tsy manana eritreritra izany rahateo ny miaramila amin’izao fotoana izao. Mbola nanamafy izany hatramin’ny farany ny kolonely Randrianirina Michael, omaly, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy teny Andohalo. «Efa manana lehiben’ny Etamazaoro isika izao, koa mpanatanteraka baiko sisa ny asako amin’ny maha manamboninahitra ahy», hoy izy.
Kianjan’ny 13 mey
Vantany vao nahazo toky tamin’ny Tafika ny vahoaka dia nirohotra teny Anosy sy Antanimbarinandriana. Mbola nisy anefa ny fanakanana. Nifandona ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Tsiahivina fa fotoana fohy taorian’ny fanambaran’ny Capsat, efa nisy ny manamboninahitra jeneraly, nampandre mialoha ny andiana mpitandro filaminana niambina ny Kianjan’ny 13 mey. Nangataka azy ireo mba hiala sy hamela malalaka ny toerana ho an’ny vahoaka analinkisa efa arovan’ny miaramila. Nilomay namonjy fiara tsy mataho-dalana sy ny kamiaobe izy ireo. Nisy ny taraiky nilaozan’ny namana. Nisy ny niezaka nanavotra aina, namonjy toby miaramila na ny biraon’ny mpitandro filaminana akaiky azy ireo. Efa hariva, nihamaizina, tafiditra teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ihany ny mpidina an-dalambe. Nisy ny fiaraha-nifaly sy fiambenana tanana.
Notohizana tamin’ny fotoam-pivavahana, teny an-toerana, omaly, ny fotoana. Nisy ankoatra izay ny fiara-midinika teo amin’ny ekipan’ny Capsat sy ny mpanao politika.




