Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny Foiben-taontsaritanin’i Madagasikara (FTM) sy ny sampandraharan’ny fandrefesan-tany (DST), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny nifantohan’ny lohahevitra ny lafiny teknika sy stratejika mba hirosoana amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany sy ny fanajariana ny tany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra ny fametrahana ny fomba ara-teknika hamaritana ny sisin-tanin’ny fokontany. Ny fampitomboana ny tobim-pamantarana eo amin’ny lafiny endrika sy refin’ny tany eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany. Eo koa ny fampiharana ara-teknika ny fametrahana an-tsary niomerika « Délimitation numérique » ny vako-pirenena. Manampy izany ny fandinihana ny “Système de coordonnées Laborde de Madagascar” : ahitana ny tanjany sy ny fahalemeny.
Etsy andaniny, anisan’ny nifampizarana koa ny fametrahana toerana raikitra sy ny firosoana amin’ny fiovana tsikelikely ho amin’ny fandrindrana ny rafitra maneran-tany;
Nambaran’ny tomponandraikitra fa manamafy ny finiavan’ny MFFT amin’ny fanamafisana ny maha azo antoka ny angon-drakitra momba ny refy sy endriky ny tany izany. Eo koa anefa ny fandrindrana ara-teknika ho fiarovana ny fananan-tany sy ho fampandrosoana ny sehatra rehetra mifandraika amin’izany.
Synèse R.




