Praiminisitra Zafisambo Ruffin: « Manaraka ny onjany isika »

Gazety Taratra (*) : Manoloana ny toe-java-misy ankehitriny, mbola mijoro ve ny fitondrana misy anareo ?
Praiminisitra (-) : Hatreto aloha dia mbola mipetraka avokoa ny rafi-panjakana misy, miandry izay fivoaran’ny toe-draharaha. Tsy mbola nametra-pialana ny Filoha no tsy misy resaka fanonganam-panjakana velively hatramin’izao. Ny azoko ambara dia miandry ny fikaonandoham-pirenena, iarahana amin’ny raiamandreny amam-panahy isika. Anatin’ny dingana isan’ambaratongany ho enti-manatontosana izany izy ireo. Miandry isika.

* Mahazo vahana ny fametrahana tomponandraikitra ambony amin’ny toerana stratejika. Mety hisy fepetra ve manoloana ireny ?
– Miaina toe-javamisy maningana isika, ka tsy maintsy mandray fepetra manokana ihany koa. Manaraka ny onjany isika izao satria mitady fitoniana. Efa tafapetraka ireo olona ireo, ka izay fomba hampidirana azy ireny araka ny lalàna izao no hatao. Araka ny nambarako teo, dia hiditra amin’ny fiaraha-midinika isika tsy ho ela. Mino aho fa milamina daholo ny zava-drehetra aorian’izay.

* Iaraha-mahita anefa tompoko fa mihazakazaka be koa ny ary amin’ny mpanao fitakiana ?
– Vaovao telo ihany angamba no azo zaraina amin’ny gazety aloha hatreto dia ireny efa nifampizarako tamin’ny fanambarana natao afakomaly alina. Tsy afaka ny mbola manome antsipiriham-baovao aho. Voalohany, ny antso
amin’ny fifampiresahana ka miara-mitady lalan-kivoahana amin’ny krizy. Anisan’ny teboka lehibe amin’izay ny firaisankinan’ny mpitandro filaminana. Efa an-dalana ny dingana ho amin’ny famahana ny olana Faharoa ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminam-bahoaka. Iaraha-mahalala fa sahirana ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoana izao. Isika tsy mikatsaka afa-tsy ny hialana amin’izany faran’izay aingana indrindra. Farany dia ny fihavanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka amin’ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona.

Nanatontosa : Riana Raymond

Partager sur: