Mifamahofaho ny raharaham-pirenena: Mitohy ny fakan-kevitry ny FFKM

Nitafa mivantana tamin’ny vahoaka malagasy indray ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, halina. Mifamahofaho ny raharaham-pirenena. Mitohy kosa ny fanomanan’ny FFKM ilay fikaonandoha itadiavam-bahaolana…

Misoko mangina izy ireo na eo aza ny hiakan’ ireo eny an-kianja. Manohy hatrany ny fifampiresahana amin’ireo ankolafin-kery ny eo anivon’ny FFKM.
Anisan’ireo efa noraisin’ ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ny Firenena mikambana (Pnud-ONU). Teo koa ny fihaonan’izy ireo amin’ ny antoko politika na koa ny fiarahamonim-pirenena, ny herinandro teo. Nandray ny avy amin’ny Capsat koa ireo filoham-piangonana. Ma­nampy izany ny fihaonan’ny FFKM tamin’ny Praiminisitra, Zafisambo Fortunat.

Ao anatin’izany rehetra izany, hitohy anio, ny fihetsiketsehana etsy amin’ny Kian­jan’ny 13 mey. Anisan’ny hatao amin’izany ny fitetezana ireo minisitera hakana ireo mpiasam-panjakana, ankoatran’ny fahatongavan’ireo sendikà efa nanao izany, omaly. Teo koa ny nanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan’i Safidy, mpitolona lavo ny alahady teo.
Ankoatra izany, tonga teny Iavoloha, nijery ny zava-misy ireo manamboninahitra avy amin’ny Etamazaoron’ny Ta­fika. Nandeha tam-pirahalahiana ny fijerena izany teo amin’ny tomponandraikitry ny lapa sy ireo iraka manokana. Anisan’ny nataon’izy ireo ny fanisana ireo fitaovana toy ny fiara, moto sns… teny an-tokotany satria mba hisorohana ny fandrobana. Efa tsy eny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry.

Efa tsy eto an-tanindrazana ny filoha Rajoelina

Voalazan’ny vaovao any ivelany fa nandao an’i Mada­gasikara ny alahady teo ny tenany tamin’ny alalan’ny fiaramanidin’ny Tafika Frantsay no namoahana azy niala teto rehefa nahazo ny fankatoa­van’ny filoha Frantsay, Emma­nuel Macron. Nihazo ny Nosy Maorisy ary lasa any Dubaï – Émirats Arabes Unis, taorian’ izany.
Nihemotra hatrany kosa ny fotoana nandefasana ny lahateniny tao amin’ny TVM/ RNM. Nambara fa tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, saingy efa nisy andiana miaramila niatrana tetsy Anosy. Natao ny fifampiraharahana ka nahe­motra amin’ny 8 ora sy sasany, nefa nambara ho mbola anaty fifampiraharahana in­dray. Niafara tamin’ny filazana fa nalefan’ny miaramila nody ireo mpiasan’ny TVM/RNM tokony handefa ny horonam-peo sy ny sary.
Etsy andaniny, andrasana ny fivorian’ny depiote eny Tsimbazaza, anio. Araka izany, eo aloha izany izao ny toe-draharaham-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: