Hotontosaina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 18 oktobra izao, ny fifaninanana slam « Nofy maitso », andiany fahefatra. Natao ho an’ ireo mpanao slam mihoatra ny 18 taona izy ity, ary tokony hanomanana sanganasa roa ireo mpifaninana. Manodidina ny lohahevitra tontolo iainana hatrany no hifaninanana amin’izany. Ny roa voalohany amin’ireo mpifaninana no hisolo tena an’Antananarivo amin’ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Toamasina, amin’ny volana novambra.
Ho tonga, anio, izy telo mirahavavy nandrombaka ny amboaran’ny « Our Generation 2025 » tany Russie, miaraka amin’ireo delegasionina malagasy rehetra. « Ho avy izahay hitondra ny amboara, rahampitso ny fotoana », hoy i Michella, omaly. Hotsenaina manokana, noho ny fitondrany avo ny voninahi-pirenena tany Russie izy telo mirahavavy, miaraka amin’ireo nikarakara rehetra tany an-toerana.
Efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ny « Festival international du film de l’Océan Indien », na ny Fifoi andiany fahatelo. Entanina, araka izany, ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika handefa ny sanganasany hifaninana. Manana hatramin’ny 30 novambra izy ireo handefasana izany. Mety avokoa na horonantsary fanadihadiana fohy na lava, na sarimihetsika fohy na lava. Hatao ny 4 hatramin’ny 19 avrily 2026, any La Réunion kosa ity hetsika lehibe ho an’ny sarimihetsika aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity.




