Tsy fanomezana fahazoan-dalana : Niala tsiny sy nifona ampahibemaso ny prefet Antananarivo

“Mitondra ny fialantsiny sy ny fifonana ampahibemaso raha toa ka misy ny fanapahan-kevitra noraisina ka tsy mifanaraka tamin’ny eritreritry ny besinimaro”. Io ny nambaran’ny prefet Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny tsy nanomezany fa­hazoan-dalana hanao hetsika teny Ambahijatovo, tamin’ny 25 septambra, anisan’ny na­hatonga izao toe-draharaham-pirenena izao. Raha ny sitrapony sy ny eritreriny manokana, nomena fahazoan-dalana ny fihetsiketsehana tamin’iny. Satria, anisan’ireo te hisitraka jiro sy rano toy ny vahoaka rehetra eto Antananarivo izy, araka ny nambarany. Nefa iny no tsy maintsy fanapahan-kevitra noraisina. “Koa mbola mamerina ihany ny fifonana amintsika vahoak’Antanana­rivo”, hoy izy.

Raha vao nambaran’ny OMC Nat ny teny fampahalalana, tsy nandray andraikitra amin’ny famerenana ny filaminam-bahoaka loatra ny tenany. Mijanona eo amin’ny fitantanana ny filaminam-bahoaka ny prefet. Manaraka an’izay, efa manana ny sehatra nasionaly ny hetsika dia tsy maintsy ny ao amin’ny Emmo/Nat sy ny OMC Nat no nandray anjara andraikitra tamin’ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Koa tsy marina ny filazana hoe nanome fahazoan-dalana ny antoko atsy na aroa izy, fa ni­tana hatrany tamin’ny voalohany fampitoviana ny fiton­drana ny fitantanana rehefa ao anatin’ny krizy toy izao.

R. Nd.

Partager sur: