“Izahay mpikambana eto anivon’ny fiadidiana iombonan’ny filoham-pirenena ho amin’ny fanavaozana dia mamoaka ny didy hitsivolana ara-panorenana lah. 2025-001, izay mampiato ny lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010 amin’ireo andininy mifanipaka amin’ity didy hitsivolana ity ary mametraka ireo rafitra fanavaozana nasionaly”. Io ny fanambaran’ny miaramilan’ny Capsat, notarihin’ny Kly Randrianirina Mickael, teny amin’ny tokotanin’ny Lapan’ Ambohitsorohitra, omaly.
Araka izany, atsahatra ny asan’ireo andrimpanjakana ao amin’ny lalàmpanorenana 2010, ka tsy voatazona mandritra ny fanavoazam-pirenena. Toy ny Antenimierandoholona izany, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana (Ceni), ny Fitsarana avo (HCJ), ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Manohy ny asany ny Antenimierampirenena.
Hapetraka kosa ny fiadidiana iombonan’ny filoham-pirenena: rafitra iombonana manatanteraka ny asan’ny filoham-panjakana, ny governemanta, ny Antenimierampirenena amin’ny endriny ankehitriny, ny fahefana fitsarana izay ahitana ny Fitsarana avo ho amin’ny fanavaozana sy ireo rafi-pitsarana isan-tsokajiny. Maharitra roa taona faharafahelany ny fanavaozana. Ao anatin’izany hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka hametrahana lalàmpanorenana vaovao sy ny fifidianana miandalana an’ireo andrimpanjakana vaovao. Hamaly ny hetahetam-bahoaka amin’ny famerenana ny demokrasia ny rafitra fanavaozana. Eo koa ny famerenana ny fitokisana an’ireo andrimpanjakana ary fananganana fitondrana miorina amin’ny rariny tsara tantana ary manao tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka.
R. Nd.




