Nihazakazaka ny raharaham-pirenena: Niainga teny an-kianja sy lapa ary ny toby ny fanovana

Nivadika tao anatin’ny ora vitsy ny fiainam-pirenena. Niafara amin’ny fananganana ny Filankevi-pirenena ho an’ny fiarovana ny Tetezamita (CDNT), tarihin’ny miaramila izany.

Nanombohana ny hetsika tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly ny filaharan’ireo fikambanana, sendika, mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina ny tapak’andro maraina. Teo koa ireo avy amin’ny mpianatra. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny antoko politika ka anisan’ny nanamaro isa ireo mpitolona ny avy amin’ny ARB sy ireo mpikatroka Tim eto an-drenivohitra sy ny kaominina manodidina. Anisan’ny lahatenin’ireo tanora Gen Z teny an-kianja ny nampahatsiahivana fa manan-tantara ny datin’ny 14 oktobra nahazoana ny Repoblika. «Hanovantsika ny tantara izany, manomboka anio», hoy izy ireo.
Nitohy tamin’ny fidinan’ny miaramila teny an-kianja, tamin’ny alalan’ny Kly Ran­drianirina Michael izany. Nandahan-teny izy ireo tamin’izany fa mitarazoka ny raharaham-pirenena tao anatin’ny efatra andro ka niovonana ny handray ny andraikitra avy hatrany izy ireo. Nihazo ny Lapan’Ambohitsirohotra ireto miaramila ireto avy eo ary nanao fanambarana ny fijoroan’ny CDNT sy ny nandravana ny Andrimpanjakana, afa-tsy ny Antenimieram­pirenena. Teo anelanelan’izany koa anefa, niroso tamin’ny fanonganana ny filohan’ny Repoblika ny depiote ny atoandro. Niainga amin’ny sonia voangona mahatratra ny fetrisa ilaina teny Tsimbazaza. Natao ny latsa-bato ka miisa 130 ireo nanaiky ny hanonganana ny filoha Rajoelina Andry amin’ireo depiote miisa 131. Iray tsy nilaza ny heviny.

Noravana ny Antenimierampirenena

Nandefa fanambarana koa anefa ny fiadidiana ny Re­poblika ny maraina, nialoha ny fivorian’ny depiote milaza fa noravana ny Antenimie­rampirenena. Tsy nanova ny firosoan’ireo solombavambahoaka amin’ny latsa-bato teny Tsimbazaza anefa izany. Mbola nanamafy izany ny fangataham-panazavan’ny de­piote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ran­drianasoloniaiko Siteny, teny amin’ny HCC izany ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filo­han’ny Repoblika. Novalian’ny eny Ambohidahy izany ka nankatoavan’ny HCC ny hisahanan’ny Kly Randrianirina Michael ny asan’ny filoham-panjakana manomboka izao.
Nitohy teny amin’ny tobin’ny Capsat izany avy eo ka nandraisan’ireo miaramila ny tsodranon’ireo zokiny, efa misotro ronono. Anisan’izany, ohatra ny Jeneraly isany, Ramakavelo Désiré, Raza­karimanana Ferdinand… Nandray ireo avy amin’ny mpikambana eo anivon’ny HCC, ny solombavambahoaka ireo avy amin’ny CDNT ny hariva, hatramin’ny alina. Votoatin’ny dinika ny hanendrena ny ho praiministra sy ny ho firafitry ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: