Hisahana ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka eto ny Kly Randrianirina Michael. Namoaka fanapahan-kevitra fankatoavana izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, manoloana ny raharaham-pirenena.
Niainga avy amin’ny fangataham-panazavana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika izany. Eo koa ny tsy fisian’ny filohan’ny Antenimierandoholona.
Nambaran’ny eo anivon’ny HCC fa voamarina ny fahabangan-toerana amin’ireo toerana roa ireo. « Andininy faharoa, manambara fa tsy afaka manatanteraka intsony ny andraikiny amin’ny maha filohan’ny Repoblika ny filoha amin’izao fotoana izao », hoy ny etsy Ambohidahy. Nohamafisin’ny andininy fahatelo izany ka niantsoan’ny HCC ny manam-pahefana miaramila, tarihin’ny Kly Randrianirina Michael mba hanatanteraka vonjimaika ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka izao.
Mbola mijoro ny Antenimieram-pirenena
Etsy andaniny, nohamafisin’ny eo anivon’ny HCC fa mitohy ny asan’ireo Andrimpanjakana sy rafitra ara-dalàna rehetra amin’ny fomba mahazatra azy. Halefa amin’ireo tomponandraikitra rehetra voakasika, ary havoaka amin’ny gazetin’ny Repoblika izany fanapahan-kevitra rehetra izany.
Tsiahivina fa efa taorian’ny nidiran’ireo andiana miaramila, notarihin’ny Kly Randrianirina Michael teny amin’ny Lapan’ Ambohitsorohitra sy nanambarany ho fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena izao fanapahan’ny HCC izao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa rava ny Andrimpanjakana rehetra ka anisan’izany ny etsy Ambohidahy, ankoatra ny Antenimierampirenena samirery ihany sisa mijoro.
Synèse R.




