« November Rock »: Mivonona ny Rheg & The Gang

« Eto am-panomanana hatrany ny seho, ary tsy mihevitra aloha hatreto hanova ny andro. Vonona anefa hampandefitra ny zava-drehetra izahay, arakaraka ny zava-miseho, ary raha misy andraikitra mifanitsy amin’ny kely fantatray ho an’i Madagasikara dia efa vonona koa izahay, toa izay efa natao hatrizay ». Nambaran’i Rheg, tao amin’ny pejiny Facebook io. Hatreto, mbola voatazona izany ny « November Rock », izay hotontosaina ny sabotsy 15 novambra izao, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Efa mivonona hatrany i Rheg sy ny tariny, hiatrika ity fotoana ifanomezana isan-taona ity.

Miova kely ny toerana, ary miova koa ny tolotra. « Miampy ny kipitsopitsony amin’ny ravaka sy ny fanamafisam-peo, arahina jiro malefaka sy setroka mandandy », hoy hatrany i Rheg. Mahakasika ny hira alahatra kosa, nohamafisiny fa mijanona ao anatin’ny rejisitra metal hiringiriny, saingy mitrandraka ny bà maha malagasy izany. « Kendrenay ho rivotra malefaka hampisento antsika aorian’ity fotoan-tsarotra ity io », hoy hatrany ity mpanakanto ity.

Zo ny Aina

Partager sur: