Hivoaka ny 5 desambra izao, anatin’ny Tekken 8 i Miary Zo. Izy ilay mpanao haiady vaovao anatin’ity “jeux videos” malaza indrindra ity. Nalaina tamina endrika tovovavy malagasy izy, mahafehy ny haiady sy ny fifandraisana amin’ny zava-boahary, ary maka aingam-panahy avy amin’ireo gidro, sns, izy. Vaovao lehibe ho an’ireo mpankafy ny Tekken izany, indrindra ireo Malagasy izay maro dia maro no mpilalao azy ity. Nampahalala an’i Madagasikara maneran-tany ihany koa, satria miteny malagasy i Miary Zo anatin’ilay lalao.
Mandray ilay fampirantiana “Il faut sauver le Joba Mena : enquête à Madagascar » ny Alliance Française ao Toliara. Fampirantiana ny zavaboahary sy ny tontolo iainana, indrindra mahakasika ilay karazan-trondro « joba mena » izay ahina ho lany tamingana izy ity. Fampahafantarana, fanentanana, fanovana ny toe-tsaina no tena tanjona amin’izany. Haseho amin’ny alalan’ny tabilao, kisary ary sarimiaina ireo. Aorian’i Toliara, hikisaka amin’ireo sampan’ny Alliance française hafa indray izany.
Mitohy any Suisse ny andiam-pampisehoan’ny Baobab. Manome fotoana ireo mpankafy any an-toerana indray ry Haingo Rabeson sy ny namany ny sabotsy 18 oktobra izao. Efa lany tanteraka sahady ny tapakila ho an’ity seho ity, satria sady natao ho fitadiavam-bola hoan’ny sampan’ny FJKM any Suisse izany. Mbola misy kosa anefa ireo seho hafa izay hotontosain’ny tarika.




