Ny zavakanto, hatreto, no hany afaka hireharehan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Antenaina hampiakatra izany ny fandraisan’anjaran’i Mendrika Ratsima amin’ny “World Culture Festival”.
«Reharehako ny hisolo tena ny fireneko, na dia eo aza ireo tsy mety rehetra…», hoy i Mendrika Ratsima. Voaantso handray anjara amin’ilay hetsika “World Culture Festival” any Karavhi, Pakistan izy. Hotontosaina ny 31 oktobra hatramin’ny 7 desambra izao ny hetsika. Hisolo tena an’i Madagasikara, haneho ny sanganasany ao amin’ ny sokajy zavakanto ankehitriny ity mpanakanto mpanao hosodoko ity. Zava-dehibe ho azy sy ny kanto malagasy izany, satria mahatratra 1 000 isa mahery ireo mpanakanto avy amina firenena zato mahery, handray anjara amin’io.
Hetsika lehibe indrindra hanasongadinana ny kolontsaina maneran-tany, na ny marimarina kokoa ny fahasamihafana ara-kolontsaina, amin’ny alalan’ireo zavakanto maro lafy izy ity. Nandalo sivana maro vao tonga amin’ny fisafidianana ireo mpanakanto handray anjara amin’ny sokajy rehetra. Nanomboka tamin’ny fizarany ireo sanganasany tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera no nampisongadina an’i Mendrika Ratsima. Nosafidian’ny mpikarakara fa hampiranty ny sanganasany vitsivitsy izy mandritra ny fandraisany anjara.
“Hahafahako maneho ny sanganasako any amina kaontinanta hafa indray ity, izay hivondronan’ireo mpanakanto maro maneran-tany. Hentina hanehoana io fa midadasika ny tontolon’ny zavakanto ary maro ny lalana misokatra”, hoy i Mendrika Ratsima, naneho ny hafaliana sy ny fahavononany amin’izany.
Sary, hosodoko, saripika, soratra hatramin’ny niomerika, sns, hampiasain’i Mendrika Ratsima hanehoany ny talentany sy ny hafatra fonosiny avokoa. Toraka izany ny akora hampiasainy, izay mifanaraka amin’ny aingam-panahy hamoahany ny kantony. Azo antoka fa hisy akony lehibe, tsy ho an’ny tohin’ny lalany amin’ny mpanakanto azy ihany, fa ho an’ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara amin’ny ankapobeny ity fandraisany anjara amin’ny “World Culture Festival” ity.
Zo ny Aina




