Mandeha hatrany ny fanonganana. Nitohy omaly ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza. Anisan’ny nirosoan’izy ireo ny fandravana ny birao maharitra eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Nanaovana latsa-bato izany ka nisafidy ny eny, hanonganana ireo mpikamban’ny birao maharitra ireo depiote miisa 127 tamin’ireo 133. Nifidy ny tsia, tsy mankasitraka izany kosa ny telo, ary nanao vato fotsy ny telo hafa.
Kandidà, tokana, nirotsaka hofidina ary lany ho filohan’ny Antenimierampirenena Randrianasoloniaiko Siteny.
Synèse R.




