Mandeha miandalana ny fakan-kevitra « Ady gasy ». Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana ny eo anivon’ny FFKM. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiverina hihaona amin’ireo miaramila, mitantana ny firenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Efa nisy ny fihaonana teo aloha, teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany, ary izao hifampiresaka izao indray. Anisan’ny efa noraisin’ny FFKM ny Praiminisitra teo aloha, Zafisambo Fortunat, ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha. Teo koa ny nandraisan’izy ireo ny minisitra sasany teo amin’ny governemanta, teo aloha. Nihaino ireo mpitantana ireo rafitra miady amin’ny kolikoly ny FFKM. Efa vita koa ny fihaonana tamin’ireo mpisafo raharaharam-panjakana.
Hatreto aloha, tsy mbola fantatra ny fotoana hirosoana amin’ny ffifampiresahana eo amin’izany « Ady gasy » izany.
Synèse R.




