Namoaka fanambarana, omaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi, sady filohan’ny vaomiera misahana ny politika sy ny fiarovana ary ny iaraha-miasa momba ny filaminana, ny Pr Arthur Peter Mutharika.
« Handefa iraka maika ny Sadc Panel of Elders hanao tombana sy hijery ny hanatanterahana ny fifampiresahana manoloana ny toe-draharaha », hoy izy. Niantso ny mpisehatra rehetra ho tony sy hanana faharetana ny tenany. Ny hanaja ny lalàna sy hanohana ny fitondrana ara-dalàna. Ny hirosoana amin’ny fifampiresahana mba hamahana ny olana ao anaty filaminana. Nanteriny fa vonona hiara-kiasa amin’ny manampahefana sy ny mpiara-miombon’ antoka hanamora ny fifampiresahana sy hanohana ny ezaka hiverenan’ny firaisankina sy ny ara-drafitra izy ireo.
Notsiahivin’ny fanambarana koa ny ahiahin’ity filohan’i Malawi ity ny amin’ny fikasana hanonganam-panjakana. Manohintohina ny fandriampahalemana, ny fitoniana, ary ny filaminam-panjakana demokratika sy ara-dalàna ao amin’ny firenena izany, araka ny fanambarany.
Fanajana ny Lalàmpanorenana
Nanteriny fa hanampy amin’ny ezaka hampiverina ny filaminana, hanajana ny Lalàmpanorenana sy ny hiarovana ny fitondrana demokratika ny tenany.
Nanentana ireo tomponandraikitra mpampihatra lalàna mba hanao ny asany amim-pahamatorana, tsy mitanila, ary fanajana lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona koa ny filohan’i Malawi, tamin’ny fanambarany.
Nentaniny koa ny olom-pirenena rehetra mba haneho hevitra am-pilaminana sy amin’ ny fomba ara-dalàna. Nanentana ny rehetra koa ny Sadc mba hijoro amin’ny firaisankina, demokrasia, fanajana ny lalàna, sy ny fitoniana. « Zava-dehibe ho an’ny fandriampahalemana sy ny fandrosoan’ny faritra misy antsika izany », hoy izy.
Synèse R.




