StarTimes : Tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa

Maromaro ny tolotra vaovao omen’ny orinasa Star­Times ny mpanjifa. Ho hita ao anatin’ny zotram-pandaharana Gasy star, manomboka anio 16 oktobra, amin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny « Gangs of Manila ». Horonan-tsary filipianina mihetsiketsika, ahitana ilay mpilalao malaza Coco Martin, amin’ny anarana hoe Cardo ao amin’ny horonan-tsary (série) Brothers. Mam­pangitangitaka sy mafana. Voadika amin’ny teny malagasy ny fifampiresahana aminy.
Hivoaka tsy ho ela koa ny horonan-tsary (série) tiorka, « Ma vie merveilleuse » amin’ ny fandaharana UPTV, voa­dika amin’ny teny malagasy ihany koa. Tantaram-pitiavana ahitana olana saro-pantarina, fitiavana sy tsiambaratelom-pianakaviana samihafa.
Misy koa ny zava-baovao ho an’ny lafiny fanatanjahantena. Tantaraina amin’ny teny malagasy ny lalao La liga es­paniola. Samy afaka mana­raka ny ekipany azy avy ny mpankafy baolina kitra. Ahi­tana famakafakana sy fanda­linana ny lalao miseho.
Manomboka amin’ny 14 ­000 Ar isam-bolana ny saram-pamandrihana. Azo isafidianana arakaraka izay tian’ny mpanjifa, horonan­tsary, sarimiaina (dessins animés), fanatanjahantena sns, jerena mivantana.
Mampahatsiahy ny mpanjifa ny orinasa StarTimes fa hanavao hatrany ny famandrihana, ahafahana misitraka ireo tolotra samihafa, arakaraka ny filana mifanandrify amin’ ny tsirairay avy.

Njaka A.

Partager sur: