Manao ranolava ny fanambarana iraisam-pirenena miantso fifampidinihana amin’ny samy Malagasy. Tsy mandà, mampirisika izany rahateo ny ekipan’ny kolonely Randrianirina Michael.
Samy nanao antso avo ny amin’ny hirosoana amin’ny fifampiresahana avokoa ireo rafitra sy vondrona fiaraha-miasa aty Afrika ireo, tao anatin’ny 24 ora. « Ilaina ny fifanatonana, tsy manilika ny hafa ao anatin’ny fanajana ny demokrasia sy miainga amin’ny hetahetam-bahoaka », hoy ny fanambarana. Nanterin’izy ireo ny hikaroham-bahaolana maharitra sy anaty fitoniana ary ny fifampitokisana, araka ny fanambarana hatrany.
Ho an’ny UA manokana, efa nandatsaka ny sazy avy hatrany izy ireo. « Miato tanteraka i Madagasikara eo anivon’ity rafitra ity ary voasazy manoloana ny fandraisan’ny miaramila fahefana », hoy ny fanapahan-kevitry ny filankevi-pilaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny UA. Takin’izy ireo koa, araka ny antso avo ho an’ireo mpisehatra politika, ny hiverenana anaty fotoana fohy amin’ny ara-dalàna, mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana.
Ho avy ny iraky ny Sadc
Tsy an-kiandriandry kosa ny eo anivon’ny Sadc fa handefa iraka avy hatrany ho tonga eto amintsika ny faran’ny herinandro izao. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi teo aloha, sady mpikambana ao amin’ny polisin’ny loholona eo anivon’ny Sadc, ny Dr Joyce Banda. Hiara-dia aminy amin’ny fanelanelanana, Helen Lwegasila Brahim.
Efa nivory tsy ara-potoana avy hatrany koa ny Troika eo anivon’ny Sadc, omaly alina. Nandinika ny olana politika eto Madagasikara izy ireo. Nitarika izany ny filohan’i Malawi, ny Pr Arthur Peter Mutharika.
Etazonia, Rosia, Frantsa…
Etsy andaniny, anisan’ny efa naneho hevitra ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE). Anisan’ny efa nanao fanambarana ny mpitondra tenin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, Anouar el Anouni sy ny lehiben’ny diplaomasia, Kaja Kallas. Manantena ny hipetrahan’ny fitoniana, ara-demokratika izy ireo. « Manaraka akaiky ny toe-draharaha izahay koa miantso sy manantena ny rehetra ho any amin’ny fifampiresahana », hoy izy ireo. Tahaka izany koa ny Frantsay.
Ho an’ny Rosianina kosa, nanambara ny ministry ny Raharaham-bahiny, Maria Zakharova fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’i Madagasikara izy ireo. Miantso ny fikaroham-bahaolana mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny Amerikanina.
Synèse R.




