FANTINA sy FINTINA

Naneho ny heviny hatrany ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Michelle, manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy hanakiana ny didim-pitsarana ny tenany amin’ny maha mpitsara azy. « Mba hitondra fitoniana sy hamaha ny olana tokoa ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina », hoy izy.

Niravona ny disadisa teo amin’ny Kly An­dria­nasoavina Charles sy ny Jly Lilyson. Nam­baran’ity lehiben’ny faritra Sofia ity fa anisan’ny tsy nitoviana hevitra ny fototra nananganana ny Fis ka nisintahan’ny Kly Charles tamin’ny fitondrana Rajoelina. « Hainy efa ela ny toetran’ireo mpitondra ireo fa izahay nanana faharetana ary izao mitovy izao izahay », hoy izy.

Nitaky ny hijerena ireo migadra noho ny tsy rariny ny depioten’i Vangaindrano, vao nivoaka ny fonja, Mahavitara Sylvestre, omaly. Niantso ny fahatongavan-tsain’ireo mpitsara ny tenany. «Mamotika fianakaviana maro ny fanagadrana tsy ara-drariny », hoy izy. Tsiahivina fa anisan’ny nanagadrana azy ny tsy fitovian-kevitra ara-politika.

Handray ireo fitarainana eny anivon’ny fitsarana ny Filankevitry ny fanovana ifotony ny Repoblika (CPRM). Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Rakotomandimby Benjamin Alexis, sy ny Kly Damasy Gervais, eo anivon’ny fitondrana vaovao, omaly. Horaisin’izy ireo an-tanana izany ireny fitarainana ireny.

Partager sur: