Fomba amam-panao, finoana, lamina voajanahary… Manana ny iavahany ny fiarahamonina malagasy. Misy amin’ireny ny saro-takarina. Ao koa anefa ireo tsotra ny miaina azy, saingy, takon-javatra maro. Vanim-potoana mila hamerenana ireny izao.
Voaresaka matetika ny « fanahy », saingy, miha vitsy ny Malagasy mahafantatra azy io. Ny sasany manafangaro ny « fanahy » amin-javatra hafa. Ho an’ny Malagasy : « ny vatana an-dRatany ary ny fanahy, Ilay Nahary » no nanome azy. Izany hoe, io ilay fitaovana ahafahan’ny tsirairay mifandray amin’Ilay Nahary (Zanahary). Io no maha olona fa tsy ilay endrika ivelany.
Ilay Nahary no tompon’ny fanahy, izany hoe, raha miaina miaraka amin’ny fanahy ny olona iray, miaina miaraka amin-Janahary. Manatanteraka ny sitrapon-Janahary… Ny Zanahary na Ilay Nahary tsy hahavita hanao ratsy. Noho izany, tsy tokony hanao ratsy ny olona iray raha tena miaina amin’ny « fanahy no olona ». Fahalalana nananan’ny Malagasy io fa tsy finoana velively.
Ny fananana ilay fanahy (silak’Ilay Nahary) ao amin’ny Malagasy no nomena vahana fahiny ka nahatonga azy nilaza : « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha ». Io no naha lehibe ny tsindrimandriny. Nampisokatra ny feon’ny fieritreretany, sns. Raha miaina ny maha fanahy azy indray ny Malagasy, hiverina aminy ireo. Hanody azy ny tsara hataony…
Noho ny fanabeazana sy fitaizana ny taranaka Malagasy nanomboka nirefarefa tamin’ny tany, ilaina ny fanarenana izany haingana sy amina fomba mahomby. Tsy voatery ho sarotra ny lalana hodiavina raha manana ray aman-dreny sy raiamandreny ary antipanahy ny fiarahamonina. Mila mifanampy amin’ireo manam-pahaizana izy ireny. Amin’izay fotoana izay, hifanindran-dalana ny fahalalana sy ny fahaizana.
Ho tafaverina any amin’ny fototra (Fanahy no olona) ny Malagasy sy ny fiarahamonina misy azy. Hifanaraka amin’ny zava-misy ao anatin’izao vanim-potoana izao izany noho ny fananana ireo nandia fianarana.
HaRy Razafindrakoto




