Anaty fanavaozana sy fanatsarana ireo haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, amin’izao fotoana. Ankoatra ny fanamboarana ireo «pylônes» sy «émetteurs» manerana ny Nosy, havaozina ihany koa ireo fitaovana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, tamin’ny minisitra lefitra misahana ny Serasera sy ny haino aman-jery sinoa, He Bia, tany Beijing izany, afakomaly. Hanome fitaovana enti-manatsara ny famokarana fandaharana i Chine. Tanjona ny hampitoviana lenta ny kalitaon’ny asa manerana ny Nosy. Hanohana ara-pitaovana amin’ny fananganana ny TVM 2 ihany koa mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny feo sy sary handeha ao.
Ny manara-penitra mitaky fifehezana ireo fitaovana, ka hisy ny fiofanana homen’ireo matihanina sinoa, ho an’ireo mpiasan’ny RNM sy TVM. Hiara-dalana amin’izany rehetra izany ny fiaraha-miasa avy amin’i Chine hanohanany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina malagasy amin’ny fanandratana ny kolontsaina malagasy. Ao anatin’izay dia hizara ny traikefany amin’ny alalan’ny famokarana sy fandefasana fandaharana maro mivoy kolontsaina ny Sinoa, ho entina mampita ny lanjan’ny kolontsaina amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Zo ny Aina




