« Fitampoha 2026 » : Saro-piaro amin’ny maha izy azy ny Sakalavan’i Menabe

Miavaka ny “Fitampoha” amin’ity taona 2026 ity. Manamarika izany manokana ny maha efa eto an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera na Andriamilafikarivo. Tsy manary ny maha izy azy ny sakalavan’i Menabe.

Nisokatra omaly, haharitra folo andro, ny “Fi­tam­po­ha 2026”, ao Belo ambonin’i Tsiribihina. Ambohi­pihao­nan’ny foko Sa­ka­lava ao Mena­be ny ao an-drenivohitry ny distrika misy ny fandriany fehizay ao Maha­velonarivo. Tanterahi­na mandritra ny fotoana avokoa ireo fomba amam-panao nampiavaka azy ireo. Natom­bo­ka ta­­min’ny fanokafana ofisialy izany, ka notronin’ny so­lonte­nam-pan­jakana sy olom-boafidy. Ani­san’ izany ny lehiben’ny faritra, ny kolonely Philippe Aunezifort sy ny depiote Saory Christian. Ny Ampagnito Harea Tinahy Tsialia Georges Kama­my, taranaky ny Ampanjaka kosa no na­nokatra izany tamin’ny alalan’ny “Variavary” na ny fandraisam-bahiny nentim-paharazana. Nitohy tamin’ny vono aomby sy fanokafana valamena. No­faranana tamin’ny “Tsoky Motro” na fiaretan-tory sy fian­tsoana ireo Dady izany, omaly.
Hitohy amin’ny fanokafana zomba izany anio. Hivoaka ao ireo “reliques” hampandroana amin’ny zoma heriny ao Tsiribi­hina. Hamonjy ny toerana hitobian’ny vahiny mpanasina sy mpandala ny fomban-drazana eny Ampasy izany aorian’izay. Hofaranana amin’ny “Kolon­doy” hanehoana ny hira nentim-paharazana sy alim-pandihizana iarahan’ny daholobe ny hetsika.
Marihina fa fomba amam-panao tanterahina isaky ny fito taona ny Fitampoha. Tsy nisy komity manokana ny fikarakarana azy tamin’ity taona ity fa noraisin’ny fianakaviana an-tanana avokoa.

Zo ny Aina

Partager sur: