Manana fiantraikany lehibe eo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ny fahaizan’ny Malagasy nihaino fahiny. Nobeazina sy nokoloina hihaino ny manodidina azy. Avy amin’izany no nahalalany fa henoina ihany koa izy, hany ka tsy niteniteny foana. Ho an’ny vanim-potoanan’ny ankehitriny, mihevi-tena ho tsy misy maheno ve ny mpanakanto sy ny kanto ataony? Satria, tsy vitsy ireo miteniteny foana. Mivaona amin’ny soatoavina sy fanabeazana ary kolo saina malagasy. Tahaka izany ihany koa, maro amin’ireo mpanoratra (mpanoratra boky, tantara fandefa amin’ny radio, tantara famaky an-gazety…) no manoratra ny zavatra tsy fantany akory.
Io fanabeazana sy kolo saina « fahaiza-mihaino » io no mila haverina eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Zava-dehibe ny fiverenan’ireo, satria, afaka mifankaheno ny rehetra. Mifankahalala avy eo. Fantatry ny mpanjakazaka an-tanin’olona sy ny forongony io endrika fanabeazana sy kolo saina nananan’ny Malagasy io ka nezahiny nosimbaina tamin’ny « baiko » avy any ambony.
… Mbola manao randra-mitarika sy tarazo izany ankehitriny, hany ka maro ny Malagasy tsy afa-manao na inona na inona raha tsy misy mpitarika. Miandry baiko. Ny fiteny frantsay aza nanjary «teny baiko» no nilazan’ny Malagasy azy. Izany hoe, tsy maintsy atao sy tanterahina raha vao ren’ny sofina.
HaRy Razafindrakoto




