Lalao afrikanina ho an’ny tanora: Handray anjara ny Makis U17, lahy sy vavy

Ho anisan’ireo taranja vonona hiatrika ny lalao afrikanina ho an’ny tanora 2025 ny taranja rugby. Handray anjara amin’­izany ny ankizivavy sy ny ankizilahy. Efa ao anatin’ny fanomanana izany izy ireo ka hosedraina ireo miatrika ny fampivondronana anio.

Hotanterahina ao Luanda Angola, ny 10 ka hatramin’ny 20 desambra ho avy izao, ny andiany fahefatra amin’ny lalao afrikanina ho an’ny tanora amin’ity. Fifa­ninanana natokana ho an’ireo latsaky ny 17 taona. Ani­san’ireo handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagas­car, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Lalao rugby ho an’olona 7 izy ity.
Efa ao anatin’ny fanomanana izany amin’izao fotoana izao ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby. Miatrika ny fampivondronana eny amin’ny kianja Makis rahateo ireo ankizy nantsoina hanaovana fifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Araka izany, hisy ny lalao tsapa hifanaovan’ireo kilonga voaantso amin’ity zoma ity. Jerena amin’izy ireo voalohany, araka ny nambaran’ny teknisianina, ny fahaizam-baolina, ny haben’ny vatana ary ny tanjaka.
Raha tsiahivina, efa nandrombaka ny medaly volafotsy tamin’ity lalao afrikanina ho an’ny tanora ity ny Makis sokajy vehivavy, nandritra ny fihaonana natao tany Algerie, ny taona 2018. Resin’i Tunisie teo amin’ny famaranana ireo ankizivavy, tamin’izay. Ny hihoatra izany zava-bita izany no tanjona amin’ity, na ho an’ny ankizilahy na eo amin’ny ankizivavy.
Raha hiverenana kosa ny mahakasika ity lalao afrikanina ho an’ny tanora ity, i Angola no firenena “lusophone”, izany hoe, miteny portioge, voalohany mampiantrano ny fihaonana. Mahatratra 54 ireo firenena hifaninanana sy hiady lohany ho an’ity andiany fahefatra ity. Miisa 33 ireo taranja hifaninanana ka anisan’izany ny atletisma, ny basikety lalaovina olona 3 sy 5, ny ady totohondry, ny hazakazaka am-bisikilety, ny baolina kitra, ny Beach soccer, ny futsal sy ny hafa.

Tompondaka

Partager sur: