Nivoaka ny boky « Amboaran’angano 2 », nosoratan’i Arikaomsa Randria, ary noravahin’i Max Razafindrainibe tamin’ny sary. Ny Edition Jeunes Magaches no nanatontosa ny boky, izay mirakitra angano 5 ho an’ny ankizy. Efa misy angano fihaino koa miaraka aminy, amin’ny teny frantsay sy teny malagasy. « Mandrora mitsilany », « i Karenjy », « Ny zanak’i Vorombe », « Imaintsoanala nanao fampitaha » ary Ikakabemaso sy Ikotokely » ireo angano voarakitra ao.
Voafidy indray hifaninanana amin’ny « Festival international du film sur les droits de l’homme », na FIFIDHO any Niamey, ny « Debout ! », horonantsary notontosain’’i Felana Rajaonarivelo. Toraka izany koa ny « Reny », izay novokariny ihany, samy tafiditra ao amin’ny sokajy momba ny zon’olombelona mandritra ny hetsika, ny 25 hatramin’ny 30 novambra izao. Hetsika am-polony maneran-tany izay no nanasongadina sy nahazoan’ny « Debout ! » fankasitrahana.
Voatazona ny seho hataon’ny Tsantan’i Mahamasina, na teo aza ny fisalasalana noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena. Ao amin’ny Havoria Anosy izy ity, ny alahady 26 oktobra ho avy izao. Fotoana hamerenan’ity antoko mpihira ity ireo hira nahafantarana sy nampisongadina azy hatramin’izay io. Natao ho fitondrana am-bavaka ny firenena amin’izao vanim-potoana sarotsarotra handalovana izao ihany koa.




