Vonona hanome tanana amin’ny famolavolana ny Lalàmpanorenana ho any amin’ny Repoblika fahadimy ny antoko Avi, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. Nohamafisin’ny fanambarana koa fa mijoro amin’ny foto-kevitra efa novoiziny ity antoko ity. Anisan’izany ny fanjakana manaja zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna ary tsara tantana.
Naneho fahavononana hiara-kiasa sy misokatra amin’ny rehetra ny ben’ny Tanàn’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, ho amin’ny fampandrosoana. « Tanjona efa nijoroana ny hanome ny tsara indrindra: handamina, hanadio, hanatsara mba hiantraika mivantana amin’ny mponina ny ezaka atao », hoy izy, omaly, tetsy Analakely.
Nametra-pialana, omaly, ny governoran’ny faritra Matsiatra Ambony, Razafindrafito Lova. Nambarany fa efa nalefa eo anivon’ny minisitera misahana izany ny taratasy fametraham-pialany. Namindra ny fitantanana vonjimaika amin’ny sekretara jeneraliny izy. Tsiahivina fa enin-taona no nitantanany ny faritra.
Mandeha amin’ny fankatoavan’ny iraisam-pirenena ny raharaha, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa tsy tanjona ny hitady toerana na seza. « Maika ny vahaolana amin’ny jiro sy ny rano… », hoy izy. Nohitsiny fa mila manana etika ny antoko politika mba tsy hivadibadihana.




