Fitantanana ny tetezamita: Nahavita fianianana ny Kly Randrianirina Michael

Tontosa omaly, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy, ny fianianan’ny Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michael. Ny politikan’ny fitsitsiana no vaindohan-draharahany.

Vita soa aman-tsara omaly ny fianianan’ny filoham-panjakana, hiandraikitra ny fiadidiana ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Mada­gasi­kara. Manamarika ny fandraisan’ny kolonely Randria­ni­rina Michael ny fahefana izany. Nivoitra tamin’ny lahateny izay nataony ny fanomezan-danja ny politikan’ny fitsi­tsiana.
“Ho fitandroana ny fahadiovan’ny fitantanam-bolam-panjakana, manome toky anareo vahoaka izahay fa hametraka politikam-pitsitsiana hoentina mifehy ireo fandaniana mihoapampana tsy mifandraika amin’ny filana izay voasokajy ho laharam-pahamehana”, hoy izy taorian’ny fianianany sy ny fametrahana mariboninahitra amin’ny maha filoham-panjakana azy.
Nambarany fa ao anatin’ ny fohy ezaka, omen-danja ny famahana ny olana tena ma­harary ny vahoaka toy ny an­govo, ny fahasalamana, ny fampianarana. Ho an’ny antonona ezaka, hisy atrikasa marolafy handraisan’ny herivelona rehetra anjara hoenti-mandrafitra lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana vaovao.
Miantso fitoniana sy fiaraha-mientana ho an’ny tsirairay ary fiombonam-po mba hahazoana manarina faran’izay haingana ny ara-tsosialy sy ara-toekarena izay latsaka an-katerena izy.. “Manome toky izahay fa hiala sy hanapaka tanteraka ny fomba fanao nisy hatramin’izay. Imasoanay toy ny anakandriamaso ny fanarenana manontolo ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka”, hoy izy. Nian­tso ny masoivoho vahiny sy ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena nanatrika koa izy: miantso azy ireo ny vahoaka malagasy hanohana sy hanome tanana ao anatin’ izany fametrahana politikam-panarenana nasionaly izany, maniry ny hisian’ny fiaraha-miasa mahomby ara-drariny sy hitsiny.

R. Nd.

Partager sur: