FMMM : « Foano ny fifanarahana amin’i Frantsa »

Mitaky ny fanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa nisy hatrizay teo amin’i Madagasikara sy ny firenena mpanjanaka frantsay, ny Firaisan’ny mpandinika mozilmanina eto Madagasikara (FMMM), omaly. Laharam-pahamehana ny fisokafana amin’ny firenena hafa izay manana vina mazava mitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena ho azy ireo. Tsy tokony hifampiditra velively ny raharaham-pirenena sy ny asam-bahoaka ary ny resa-pinoana, hoy ny fanamafisan’ny mpitondra tenin’izy ireo. Mila imasoan’ny mpitondra amin’izao fotoana, ny fampitoviana lenta ny olom-pirenena rehetra amin’ny fisitrahana ny zo fototra. Raha tiana handroso ny firenena, « ilaina ny fialana miandalana amin’ny fiankinan-doha amin’ireo mpamatsy vola nahazatra hatramin’izay », hoy ny FMMM. Vahaolana ahafahan’ny firenena manarina ny toekarena rahateo ny fitrandrahana araka izay azo atao ny loharanon-karena misy eto an-toerana sy ny fanodinana izany. Nahatsapa ny tsy fisian’ny politika mifototra amin’ny fandanjalanjana ara-drariny ny teti-bolan’ny andrim-pitondrana koa izy ireo ka mitaky ny hampiharana izany. Hisorohana ny tsy fisian’ny asa ho an’ny tanora, tokony hisy ny fanofanan’asa ho an’ireo tanora. «Ilaina ny famoronana asa ho an’ny tanora », araka ny fanazavana.

Tsiferana R.

Partager sur: