« Miss Tourism International » : Vonona ny handresy i Hendry Tsiky

Miandrandra mafy ny hi­songadinan’i Hendry Tsiky ny Malagasy maneran-tany. Any Malaisie izy amin’izao fotoana, miatrika ny fifaninanana « Miss Tourism Interna­tional ». Ho fantatra anio izay hisalotra ity anaram-boninahitra ity, izay hirariana mafy hobatain’i Hendry Tsiky. Efa vonona ny hiatrika ny mpitsara izy, ary ny maha Malagasy no hasongadiny mandritra izany. Ny fitafiana sy taovolo nentim-paharazana malagasy, sns, izay efa nomanina avy taty Mada­gasikara avokoa. Ao anatin’ny fifaninanana amin’ny fahalalana ankapobeny ny momba ny fizahantany iraisam-pirenena sy ny fizahantany mampiavaka manokana ny firenena niaviana. Manan­tombo i Hendry Tsiky amin’izany, noho ny fananan’i Mada­gasikara harena voajanahary sy kolontsaina ary ny tantara manintona mpizaha­tany vahiny. Mandroso ihany ny laharana misy ny solontenantsika, na mbola tsy tena tsara toerana aza. Misy ny fifidianana izay nandraisan’ny besinimaro anjara, nampia­katra ny laharan’ny solontena malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: