Mpisehatra eo amin’ny kanto: Hisy fampiofanana ao amin’ny CGM/GZ

Misy asa maro manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mamelona fianakaviana maro rahateo izany maneran-tany. Ny ankamaroany anefa, tsy nisy tena nianatra momba ireo asa manodidina ny zavakanto, fa vokatry ny traikefa mitambatambatra eny fotsiny. Noho ny fahatsapana izany indrindra no nahatonga ny CGM/GZ hikarakara fiofanana ho an’ireo te hisehatra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Natao indrindra ho an’ireo vao hanomboka izany, ny 29 sy 30 novambra ho avy izao. Hizara ny traikefany, mandritra izany, i Fela Razafiarison, izay fantatry ny maro amin’ny maha mpanakanto marolafy azy, indrindra eo amin’ny sehatry ny teatra. Ankoatra izay, miasa tanteraka anatin’ny zavakanto ihany koa izy.
Hanomezana ireo fototra tokony ho fantatra, mialoha ny hidirana ho matihanina ny fiofanana. Mety ho mpanakanto matihanina no tanjona, mety ho tomponandraikitra manodidina ny asa kanto ihany koa. Ny fototra tsy maintsy hiaingana, miampy ny fahafantarana ny rafitra, ny lalàna mifehy, ny an-tanantohatra rehetra, sns, no hifampizarana mandritra ny fotoana. Asaina hiditra anatin’ny pejy facebook an’ny CGM/GZ na hanatona mivantana eny an-toerana ireo liana te hisoratra anarana. Manana hatramin’ny alarobia izao izy ireo. Marihina fa maimaimpoana hatrany, toy ny fanohanana ny zavakanto fanaon’ny CGM/GZ hatramin’izay, izany.

Zo ny Aina

Partager sur: