“Mitodika amin’ny filoha teo aloha (…): miangavy izahay mba hanatsaharana ny fanosoram-potaka ity Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ity any amin’ny firenena any ivelany sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena izay toa mihaino feon-dakolosy tokana”. Izay ny kabarin’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, taorian’ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, teny Ambohidahy, omaly. Miantso ny tena fitiavan-tanindrazana izy, ary haneho ny fandalana ny demokrasia sy fihainoana ny feom-bahoaka. Raha namaivay ny toe-draharaha, tsy mba niala ny HCC fa nandray ny andraikitra tandrify azy, na efa mby an-koditra aza ny ambana herisetra, fandrobana… Tsy nitsoaka ady fa niatrika ny mpikamban’ny HCC. Izany no atao hoe fitiavan-tanindrazana. Miatrika rehefa tonga ny olana goavana, fa tsy miamboho adidy na miala eto an-tanindrazana.
“Manao antso koa izahay amin’ny firenena any ivelany sy vondrom-pirenena izay manao fanambarana fa fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara. Rehefa nafotaka ny tolom-bahoaka teto, nanimba zavatra maro sy ny herisetra ary ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona: taiza ianareo no nangina tsy re?”, hoy izy. Rehefa nandray andraikitra ny Tafika sy ny HCC ka nampitsahatra ny fidinana an-dalambe dia tonga izy ireo hanome tsiny sy milaza fa miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna. Tsy nisy fivoahana tamin’ny lalàmpanorenana teto, fa aoka izy ireo hamaky tsara ny didy navoakan’ny HCC. Io didy io aza no anisan’ny nandravona ny korontana teto, ankoatra ny fidiran’ny Tafika an-tsehatra.
R. Nd.




