TARATRY ny KANTO

Misokatra ho an’ireo fikambanana ara-kolon­tsaina ny Kianjan’ny kanto Mahamasina. Fanambarana nataon’i Rossy, omaly, io. Maimaimpoana izany raha misy te hivory ka mila toerana malalaka, satria natao ho an’izany indrindra ao. Afaka mampiasa ny toerana ihany koa ireo tanora na fikambanan’ny tanora te hifampidinika momba ny rahaharam-pirenena, raha ny nambaran’ity mpanakanto ity ihany. Misy kosa ny fandaminan’ny mpikarakara ny Kianja amin’ny ora sy ny fotoana.

Anio no hotontosaina ny fifaninanana slam « Nofy maitso », andiany fahefatra. Hatao eny amin’ ny AFT Andavamamba izany, manomboka amin’ny
2 ora tolakandro. Mila manomana lahatsoratra roa avy ny mpifaninana, ka ny iray amin’ireo tsy maintsy mahakasika ny lohahevitra manodidina ny tontolo iainana. Roa amin’ireo mpifaninana ihany no ho tafakatra, ka tsy maintsy lahy ny iray ary vavy ny iray. Ireo tafakatra eo mantsy no solontenan’Antananarivo amin’ny fifaninanana nasionaly, hatao any Toamasina, ny volana desambra ho avy izao.

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny « Miss sy Mister Trisomie 21 ». Manana hatramin’ny
31 oktobra ireo manana ity toe-batana ity, handraisana anjara amin’ny fifaninana. Natao hampisehoana amin’ izao tontolo izao fa ny hatsarana sy ny maha izy azy dia hita ao amin’ny olona tsirairay na inona na inona fahasamihafana. « Ny fahasamihafana dia tsy sakana, fa fanomezana », hoy ny lohahevitra voizina.

Partager sur: