Toliara : Hotontosaina foana ny « Vez’Tival »

Hetsika mampiray, mampihavana ka tena ilaina amin’izao vanim-potoana izao. Hatao foana ny « Vez’Tival » andiany faha-9, ao Toliara.

Fihaonambe ny « Vez’­Tival », izay endrika firaisankina sy fihavanana izay hatrany no novoizina nan­dritra ireo andiany teo aloha. Hiditra amin’ny andiany faha-9 kosa ny hetsika amin’ ity, izay hotontosaina ao To­liara, ny 24 hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao. « Tena ilaina ary ma­nampy amin’ny fitoniana ny hetsika. Ho telo andro hanandratana ny kolon­tsaina vezo sy ny foko rehetra miara-monina ao Toliara izany », hoy ny nambaran’ireo mpikarakara, ahitana ny fikambanana Va­ha­tse ry Vezo aharo, izay efa ni­an­draikitra izany hatramin’izay.
Hetsika ara-kolontsaina, fa misy fifaninanana ara-panatanjahantena sy fanentanana ny mpiara-monina ihany koa ny « Vez’Tival ». Fampaha­fan­tarana ny fomba amam-panao vezo sy ny an’ireo foko manodidina no anjaran’ireo olobe na ireo hazomanga. Fampi­tana amin’ireo taranaka ankehitriny ny soatoavina rehetra, nampirindra ny fiarahamonina hatry ny ela. Hisy koa ny fanasongadinana ireo lalao taloha, toa ny doranga, izay haiady nentim-pahara­zana. Mialoha ny fotoana rehetra, hosokafana amin’ny « carnaval » ma­ha­zatra ny fotoana, ny marainan’ny 24 oktobra. Arahin’ny lanonana ofisialy, ifandimbiasan’ny ka­bary izany. Hanom­boka amin’ ny 2 ora ny seho ara-javakanto sy fanentanana isan-kara­zany, arahina teatra. Amin’ny
6 ora hariva no ma­nomboka ny fampisehoana lehibe. Ny sabotsy 25 oktobra kosa no hanatontosana ny fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny hazakazaka la­kana izay mampalaza ny vezo. Eo koa ny bisikileta, izay hifaninana ao an-tampon-tanàna. Ny hariva ny tohin’ny fampisehoana le­hibe. Ny alahady 26 oktobra ny famaranana ireo fifaninana rehetra, ny maraina, ary ny hariva ny fanolorana ny loka rehetra. Arahina alim-pandihizana ho lanonam-pa­ma­ra­nana izany, ka mandritra izay no hanatontosana ny fifidianana « miss » sy « mister ».

Zo ny Aina

Partager sur: