“Tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa tsy nisy fanafihana mitam-basy tany amin’ny lapam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra tamin’ny famaranana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, afakomaly.
Ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no entina miady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nisy fanonganam-panjakana teto. Fizahana fototra ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika izay tsy nahavita intsony ny asany no nataon’ny HCC. Nilazany fa hita fototra izay fahabangan-toerana izay, tsy nahavita ny asany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona ary tsy afa-nanao ny asan’ny filohan’ny Repoblika ny governemanta. Noho izany, notendreny ny Kly Randrianirina Michael ary nomena ny toeran’ny filoham-panjakana. Nilaza koa ny didy hoe mbola mijoro avokoa ny andrimpanjakana rehetra voalazan’ny lalàmpanorenana. Manaiky ny didy ny Kly Randrianirina Michael, fanekena fa mbola eo ny HCC.
Nitsiahiviny izay nitranga tamin’ny 14 oktobra. Teo ny fampiatoan’ny Antenimierampirenena ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany, ny fidinan’ny miaramilan’ny Capsat teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nanambaran’ny Kly Randrianirina Michael fa rava avokoa ireo andrimpanjakana afa-tsy ny Antenimierampirenena. Fanambarana politika tsy maintsy natao iny mba hampandresy ny tolona. Nisy koa ny fangatahana nataon’ny filohan’ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena tamin’ny HCC. Tamin’ iny koa no nivaly ny fitoriany ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika.
R. Nd.




