“Araka ny tokony ho izy ny fitadiavana Praiminisitry ny maramaritra iraisana”, hoy ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, teny Ambohidahy, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fanendrena izay ho Praiminisitra vaovao. Ho marimaritra iraisana mivelatra, ka hanontaniana na ny filoha teo aloha na ny filoham-panjakana amin’izao. Tokony hisy ny fandaminana izany. Tombontsoa ambonin’ny firenena no tanjona. Tsy tokony hisy ny fanilikilihana. Tokony hitohy hatrany koa ny fanelanelan’ny FFKM. Fanajana ireo andrimpanjakana natao hiaro ny lalàmpanorenana no zava-dehibe aloha. Sata repoblikanina no mifehy ny rehetra.
Antenaina fa fitoniana no entin’ny fahavitan’ny filoham-panjakana fianianana. Mba hahazoan’ny rehetra miverina amin’ny fiainana andavanandro amin’ny fampandehanana ny toekarena izany. Amin’izay toerana misy ny rehetra, tokony hiara-miasa ary tsy hisy ny fanilikilihana. Satria fantatra ny mahatonga ny krizy miverimberina… Maro ny krizy nihatra teto amin’ny firenena. Nisy hatrany ny fanilikilihana. Tsy misy tsy vitan’ny resaka ambony latabatra. Maro dia maro no eritreretin’ny fitondram-panjakana ankehitriny hatao. Tsy ho vita izany raha tsy misy ny fitoniana sy ny fifampiresahana politika ambony latabatra. Miainga eo dia mandeha lavidavitra kokoa. Tokony haravona avokoa ireo krizy rehetra nihatra hatramin’izay. Raha tsy izany, mbola hiverina hatrany ny krizy any aoriana any. Tena ampiharina ny fifampiresahana. Misy hatrany ny fifampiresahana, ary antenaina fa mbola hisy hatrany izany.
R. Nd.




